Kolontsaina : azo avadika ho fidiram-bola
- 18 avril 2024
Omena sehatra ireo mpisehatra rehetra anatin’ny kolontsaina, mba hahafahan’izy ireo mamadika ny fahaizany ho asa fampidiram-bola. Mikarakara hetsika antsoina hoe « Tokotany Be » mba hahafahana manatanteraka izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Haharitra 3 andro ny hetsika izay atao ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Ahitana tranoeva miisa 70. Tafiditra ao anatin’izany avokoa ireo orinasa madinika sy lehibe misehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana manodidina ny kolontsaina sy zava-kanto.
Nampatsiahy ireo mpisehatra rehetra anatin’izany sehatry ny kolontsaina izany ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava fa hanohana azy ireo hatrany ny minisitera. Hanehoana ny maha izy ny firenena ary mahakasika ny fampiroboroboana ny toekarena ny kolontsaina sy zavakanto amin’ny lafiny rehetra hoy izy. Azo atao ny manangana indostria matanjaka amin’ny alalan’ny famoronana, mba hahafahana mampiakatra avo ny lentan’ny indostrian’ny kolontsaina Malagasy.
Isan’ireo vahiny nasain’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manokana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Augustin Andriamananoro, izay nitoto nahafotsy izao hetsika izao. Sambany hoy izy no nahafahana namory ireo mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny haitao ara-java-kanto.
Filatroana, soradihy, hira gasy no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hestika androany 18 aprily 2024. Ankoatra ireo tranoeva, dia hita ao an-toerana koa ny fampiratiana ny sarin’ireo mpanakanto izay misehatra amin’ny kolontsaina, ny sangan’asan’ireo artista mpanao hosodoko, kilalao malagasy toy ny katro, fanorona, mpanao sikotra amin’ny lafiny sy endriny rehetra, ary farany ny fampiratiana boky.
Marihina fa tsy natao ho fitadiavam-bola izao hetsika izao fa kosa, natao hanohanana ny fahaiza-manaon’ireo artista Malagasy. Hetsika izay notohanan’ny Unesco. Manodidina ny 7.000 ireo mpitsidika andrasana anatin’izao hetsika « Tokotany be » andiany voalohany izao.