Fitantantanana ny jono : ofisialy ny maha firenena faha dimy ao anatin’ny FiTI an’i Madagasikara

  • 4 mai 2022

Tafiditra anatin’ny firenena dimy mametraka ny fangaraharan’ny fitantanana ny jono sy ny harena anaty rano niditra anatin’ny “Fishery Transparency Initiative ” (FiTI) i Madagasikara.

Ny 29 septambra teo no nankatoavan’ny Filan-kevitry ny governemanta ny hidirana amin’izany. Omaly 03 may no tontosa teny Ampandrianomby ny lanonana ofisialy nahatafiditra an’i Madagasikara ao anatin’ny FiTI, notronin’ny mpandrim-paritry ny FiTI aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny mpampandeha raharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikanina sy mpiara-miombona antoka maro.

Hahazoana ny fitokisan’ny mpiara-miombona antoka miara-miasa amin’ny sehatry ny Jono, hoy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert ny fidirana amin’ny FiTI. Hitombo ny mpiasa sy ny mpampiasa vola hiditra amin’ity sehatra ity.Hihatsara koa, hoy izy, ny toeran’i Madagasikara amin’ny resaka fangaraharana sy tsy fisian’ny kolikoly amin’ny fitantanana ny harena anaty rano.

Anisan’ny tsy fanarahan-dalàna hita eto Madagasikara, ny fisian’ny mpanjono vaventy tsy manaja ny fari-dranomasina, tsy fananana fahazoan-dalana, fanararaotana mitondra zava-mahadomelina, mitatitra olona na-tsokosoko. Eo koa ny fampiasan’ny mpanjono madinika ny fitaovana tsy ara-dalàna, ary fitanterana tsy misy taratasy fahazoan-dalana mazava. Ny fiaraha-mientan’ny rehetra no ahafahana miady amin’izany, hoy ny minisitra.

Tombanana ho 14 hatramin’ny 16 tapitrisa Dolara isan-taona ny vola very eto Madagasikara noho ny fisian’ny jono tsy ara-dalàna, araka ny fanadihadiana farany natao. Mananiky ny 24 000 000 000 Dolara izany ho an’i Afrika manontolo.

 

Partagez :
Mahandry