• 29 avril 2024

Renim-pianakaviana iray 69 taona hita faty tao an-tranony, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Tsindrona antsy telo no hita tamin’ny nofo mangatsiakan’ity renim-pianakaviana ity nandritra ny nahitana azy ny marainan’ny sabotsy 27 Aprily 2024.

Mipetra-drery izy ary hatramin’ny alarobia teo no tsy nahitan’ny mpanampiny azy sy ny mpanofa tranony mifanila-vodirindrina aminy. Nihidy avy any ivelany ny trano ka voatery nopitsohana rehefa tonga ny fianakaviany avy any Antananarivo androany maraina. Vatana mangatsiaka efa nihosin-drà tao anaty trano fidiovana sy fivoahana no novantanina. Efa manao ny asany ny polisim-pirenena taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BMH.

Partagez :
Njaka Randria