Zotra an-dalamby Moramanga -Toamasina : mponina maherin’ny 100 000 no hisitraka azy indray .

  • 9 mai 2023
Maherin’ny 100 000 ny mponina izay mipetraka any amin’ireo toerana tsy tongan’ny fiara ka mampiasa ny zotra an-dalamby TCE, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro.
▶️Hiverina amin’ny 1 jona izao ity zotra ity. Mandalo gara miisa 23, miala ao Moramanga ka hatrany Toamasina. Hahatratra hatramin’ny 15 000 ariary ny saran-dalana.
❌Toy izao ny fandaharam-potoana :
?Alahady : Moramanga-Ambila , miainga amin’ny 7 ora maraina
?Talata : Ambila-Moramanga , miainga amin’ny 7 ora maraina
? Alakamisy : Moramanga Toamasina , miainga amin’ny 6 ora maraina
?Sabotsy : Toamasina-Moramanga , miainga amin’ny 6 ora maraina
❌Sarany:
?1 ère classe : miala ao Moramanga ka hatrany Toamasina , 15 000 ariary
?Brickaville ka hatrany Toamasina , 10 000ar
? 2ème classe : 7 000 ariary
?Bagage : 110 ariary
Partagez :
mialy