Zokiolona mpiady tia tanindrazana : nahazo fampitaovana ny trano fonenana manokana izay amboarina ao Moramanga

  • 16 février 2024

Niandohana sady mamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ireo zokiolona mpiady tanindrazana, ka zava-dehibe ho an’ny Fanjakana malagasy ny fiahiana manokana azy ireo. Izany indrindra no antony nanorenan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina trano fonenana manokana ho an’ireo mpiady tia tanindrazana efa misotro ronono ao Moramanga.

Ho fanohanana ireo zokiolona mpiady tia tanindrazana dia nitondra ny anjara birikiny ny ministeran’ny Foloalindahy amin’ny alalan’ny Fitaleavan’ny mpiady tia tanindrazana(DCN) ka fampitaovana ny trano fonenana manokana izay amboarina ho azy ireo ao Moramanga, izay efa an-dalam-pamaranana amin’izao fotoana izao no natololony. Anisan’izany ny farafara vy miisa 79 novokarin’ny orinasa miaramila, kidoro 79 isa, latabatra 79 isa sy lamba ary kojakoja samihafa avy amin’ny Tafika malagasy . Nisy koa ny solom-paladia natolotra ho an’ny solontenan’ireo Zokiolona.

Tonga nanolotra izany tany an-toerana araka izany ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sady nijery ny pitsopitsony momba ny famaranana ny fanorenana ilay trano. Nanotrona ity fotoana ity ireo solontena avy eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika, sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy, niaraka tamin’ireo olom-panjakana ifotony nahitana ny Goverinoran’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Prefen’Ambatondrazaka, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Moramanga, ary ny Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga.

Marihina fa tafiditra anatin’ny fanamby 100 andron’ny Foloalindahy izao fidinana ifotony izao, hijerena akaiky ny fampivoarana ny maha olona, izay sady voasoritra ao amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana, no hanakaikezana hatrany ny vahoaka.

Partagez :
Mahandry