Zazakely namoy ny reniny teo am-piterahana : noraisin’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina an-tanana.

  • 16 juin 2023
Renim-pianakaviana iray no maty teo am-piterahana tany Toamasina, vokatry ny fahaverezan-drà be loatra. Tsy namonjy tobim-pahasalamana izy fa niteraka tao an-trano. Avotra soamantsara kosa nefa ilay zanany lahikely ka ny renibeny 70 taona no mitaiza azy . Sahirana anefa izy ireo ka nanao antso tamin’ny vadin’ny ben’ny tanàna ao Toamasina, ramatoa Rakotonirina Melisse Kalobe.
Tonga namaly izany izy ka nanolotra fanampiana maro toy ny ronon-jaza, lamba-jaza, akanjo, lay misy odimoka . Tsy nijanona hatreo fa nilaza koa izy fa handray an-tanana ny fanamboarana ny kopia nahaterahan’ilay zaza .
Manentana ireo renim-pianakaviana, indrindra ireo mitondra vohoka ny hanantona tobim-pahasalamana hatrany, fa tsy hanao dokotera ny tenany.
Partagez :
Carinah Mamilalaina