Social

Zava-mahadomelina sy fakana ankeriny :  olona 10 no voasambotra

Teratany sinoa roa sy afrikanina roa ary malagasy enina no voasambotra amin’ny fisiana “phénomène de drogue” mifandraika amin’ny trangana fakana an-keriny ankehitriny, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Gelle Serge nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety androany. Olona mifonja saingy mivoaka manao asa ivelan’ny fonja « main d’œuvre pénale » ny iray amin’ireo malagasy ireo.

Aucune description de photo disponible.Voasambotra koa ny mpiasan’ny Fadintseranana iray tao Toamasina taorian’ny fanadihadiana natao, niainga tamin’ny ankizy nisy naka an-keriny folo izay efa voamarina. Izy izay nangalatra sy nivarotra « cocaïne de base » roa gony (100kg) tamin’ireo 600kg nogiazan’ny fadintseranana ny volana oktobra 2021.

Misy ny fanadihadiana atao momba ny mety ho fifandraisan’io fiparitahan’ny rongony sy trangana fakana an-keriny io. Ny valin’ny fanadihadiana ihany no hamoaka raha toa ka ireo rongony natao tao anatin’ny gonin-tsiramamy tratra tao Toamasina ireo no hita amin’ny vatan’ireo nisy naka an-keriny, izay mitarika tsy fahatsiarovan-tenana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer