Zandarimariam-pirenena : nandray ny fibaikoana ny Jeneraly Rakotomalala Jean Herbert Andriatahina

  • 4 mars 2024

Tontosa androany ny lanonana ara-miaramila nandraisan’Andriamatoa Jeneraly Rakotomalala Jean Herbert Andriatahina ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena

Ny lanonana dia natao tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina teo ambany fitarihan’Andriamatoa Jeneraly Andry Rakotondrazaka, Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, izay nanolotra azy ny Fanevan’ny Zandarimariam-pirenena.

Tonga nanome voninahitra izany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, sady mpitarika ny OMC Nosy. Teo ihany koa ireo mpikambana hafa ao amin’ny Governemanta, ireo Tompon’andraikitra ambony isan-tokony eo anivon’ny Zandarimaria,ny  Tafika Malagasy ary ny Polisim-pirenena.

Partagez :
Mahandry