2 minutes 1 an

Hampiofanina mikasika ny famaritana ny herisetra mianjady amin’ny maha vavy na maha lahy ireo mpamily sy mpanampy mpamily avy aminy ireo koperativa rehetra eto an-drenivohitra.

Noho ny fahatsapana fa nirongatra ny herisetra mianjady amin’ireo mpandeha any anaty fiara fitaterana, no anton’izany. Misy na eo amin’ny samy mpandeha izany, misy koa ireo mpamily sy/na mpanampy mpamily manao izany amin’ny mpandeha. Mety amin’ny maha vavy azy, na maha antitra azy na koa amin’ny maha olona manana fahasembanana azy.

Telo no endrika isehoan’izany raha ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Women break the silence, Jessica Stéphanie. Voalohany amin’izany ny herisetra ara-batana izay mihatra amin’ny olona tsirairay avy. Misy koa ny herisetra ara-nofo noho ny fikitihana vatan’olona hafa, sy ny herisetra mahakasika kokoa ny psikolojika.

Manoloana izany indrindra dia miara-mientana ny kaoperativa sy ny  »Woman break the silence » amin’ny fanatanterahana ny hetsika hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na maha vavy any anatin’ny fiara fitateram-bahoaka. Androany, nisy ny dinika nifanaovan’ireo samy tompobandraikitra hamaritana ny vahaolana hamongorana izany, hisian’ny fiaraha-monina milamina sy mirindra eto Antananarivo.

Laisser un commentaire