Vovonana Stratejika Handrindrana ny Tontolo Iainana (PCS-E) : Notanterahina androany ny fivoriana voalohan’ny mpikambana

  • 18 mars 2024

Notanterahina androany teny amin’ny Novotel Alarobia ny fivoriana voalohany ho an’ny taona 2024 teo amin’ny mpikambana ao anatin’ny Vovonana Stratejika Handrindrana ny Tontolo Iainana na ny Plateforme de Coordination Stratégique- Environnement ( PCS-E), izay ivondronan’ny mpanohana ara-bola sy ara-tekinikan’ny tontolo iainana eto Madagasikara, ahitana ny PNUD, FAO, UNICEF , UNESCO, OIM, UNCDF, UNCDF PAM, ONUDI, ONUDC, UE, GIZ, USAID, ny masoivohon’ i Frantsa, i Etazonia, i Royaume- Unis sy i Alemana ary ny Banky iraisam-pirenena.

Nivoitra nandritra ny dinika ny fijerena ny hanatsarana ny fomba fiasan’ny PCS-E , mba hahomby sy ho haingana kokoa ny fanantanterahana ny asa mivaingana hatao. Ny tanjona dia ny hampiasa ny diplaomasia maitso hampivoarana ny sehatra iombonana. Nandritra ity fivoriana ity koa no nampahafantaran’ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy , Max Fontaine ny paikady stratejikan’ity Minisitera ity. Anisan’izany ny fiarovana ny harena voajanahary, ny ady amin’ny fandotoana, ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro, izay iompanan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpikambana ao amin’ity PCS-E ity.

Partagez :
Mahandry