Vovonana Nasionalin’ny Fanorona Malagasy : tontosa ny fifidianana

  • 30 septembre 2022

Notanterahina androany zoma 30 septambra isaky ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fifidianana ny mpikambana handrafitra ny Vovonana Nasionalin’ny Fanorona Malagasy.

Ahitana ny filoha, filoha lefitra, mpitahiry vola ary mpanolotsaina telo izany. Lisitra tokana izay notarihin’i Herindrainy Jean Patrick no nofidina tamin’izany. Ho an’ity lisitra ity dia anisany fanatsarana hoentiny ny fametrahana ny lalao fanorona ho eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny maha kolontsaina malagasy azy, amin’ny alalan’ny fanokafana ny Hub Fanorona (site web). Ankoatra izay ny fanaganana ny Akademian’ny Fanorona nasionaly sy rezionaly ary ny fanomezana fitaovana sy karatra ho an’ny mpilalao.

Araka ny fitsipika mifehy ny fifidianana dia ireo mpikambana isaky ny vovonam-paritra no mifidy izay ho filoha nasionaly. Teto amin’ny faritra Analamanga dia nahazo salanisa 100% ny lisitra izay tarihin’i Herindrainy Jean Patrick. Tombanana ho amin’ny fiandohan’ny herinandro ho avy izao no hamoahana ny vokatra ofisialy raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenenan’ny Zava-kanto sy Kolontsaina (OFNAC), Rakotondrabe Niry na Raboussa.

Partagez :
Mahandry