Social

Vono olona teny Imerinkasinina : polisy sy sinoa no voarohirohy

Ny Polisim-pirenena Malagasy dia manamarina, tamin’ny fanambarana nataony androany maraina, fa misy tokoa ny polisy voarohirohy amin’ny raharaha vono olona teny Imerinkasinina ny 15 Novambra lasa teo ka nahafatesana mpiraki-draharaha sy tomponandraikitriny famorian-ketra.

Efa notanana eny amin’ny sampandraharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ; raha ny fanambarana nivoaka io maraina io.

Misy koa teratany vahiny, sinoa, izay voarohirohy, ka efa voasambotry ny Polisy eo anivon’ny PAF teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ary efa natolotra ny sampandraharahan’ny Zandarimariam-pirenena izay miandraikitra ny fanadihadiana.

Noamafisin’ity fanambarana ity fa tsy fieren’ny jiolahy ato amin’ny Polisim-pirenena ary tsy andefitra mihitsy amin’ireo Polisy mihoa-pefy.

 

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer