Vonjy aina: nanome ra maimaimpoana ny vadi-miaramila tany Antsiranana.

  • 8 juin 2023
Nanao hetsika sosialy fanomezan-dra maimaimpoana ny fikambanan’ny vadi-miaramila (FIVAMI) tao Antsiranana, notarihin’ny vadin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena Rakotoarijaona Lydia, sady filohamboninahitry fikambanana ny alarobia 7 jona 2023.
Nahita olona niala aina noho ny tsy fahampian-dra izy ka izany no nanaitra ny fony sy nijoroany vavolombelona ary nanaovany fanentanana ho an’ny vadi-miaramila rehetra sy ny vahoakan’Antsiranana manontolo. Izay manome ra, manome aina, hoy ny filamatry ny fikambanana.
Tao amin’ny CHU Place Kabary no nanaovana ny hetsika. Anisan’ny mpanome ra, mpamonjy marary mila ra ny fianakavian’ny miaramila, hoy ny talen’ny CHU, Pr Randriambololona Domoina raha nankasitraka ny FIVAMI tamin’ity fihetsika ity.
Partagez :
Romuald