Volan’ny PAT : efa tonga amin’ny dingana farany ny fikarakarana azy

  • 28 octobre 2021

Efa tonga amin’ny dingana farany ny famahana ny olana mahakasika ny fandoavana ny “indemnité de technicité” ho an’ny mpandraharahan’ny Oniversite (PAT) manerana ny Nosy, hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika, Assoumacou Elia Béatrice.

Efa mamarana ny fandrafetana ny didim-pankana mamaritra ny fandoavana ity “indemnité de technicité” ity ny tomponandraikitra, ho famerenana azy amin’ny laoniny amin’ny karaman’ny PAT, izay marihina fa efa nositrahina hatramin’ny taona 2003 na dia tsy nisy lalàna aza namaritra ny fandoavana azy. Nandritra ny fihaonana nihainoan’ny minisitra ny olan’ny mpianatra sy ny mpandraharaha tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga omaly no nanambarany izany. Nanolotra jiro enti-manazava ny “Campus” Ambondrona sy fitaovana ho an’ny lafiny fanatanjahantena koa ny minisitra.

Hitohy amin’ny fihaonana amin’ny mpampianatra ny dinika.

Partagez :
Mahandry