Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso

  • 25 janvier 2023
Tafakatra 07 ny isan’ny olona namoy ny ainy ary 13 ny tsy hita popoka taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, araka ny tatitra tamin’ny 8ora sy sasany maraina avy amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC).
Mahatratra 38.479 ny isan’ireo traboina izay mitsinjara amin’ny tokatrano 8936. Ao amin’ny faritra Analanjirofo no ahitana traboina maro indrindra mitotaly 12.650 izany. Manaraka azy ny ao amin’ny faritra Boeny izay miisa 12.207. 5.214 avy any amin’ny faritra Sofia ary ny 3.867 ao amin’ny faritra Fitovinany.
Mitsinjara amina toerana fandraisana traboina miisa 55 ny traboina 14.416.
Hatreto araka ny tatitry avy amin’ny BNGRC hatrany dia fantatra fa miisa 10.720 ny trano dobon-drano raha miisa 500 ny trano simba tanteraka.
Partagez :
Mahandry