Voka-pifidianana vonjimaika : nahazo 58,95%n’ny vato manan-kery ny kandida Rajoelina Andry

  • 25 novembre 2023
Nahazo ny antsasa-manilan’ny vato manan-kery tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy natao ny 16 novambra 2023 teo ny kandida Rajoelina Andry, araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI androany sabotsy 25 novambra. 58,95% no azony ary andrasana ny voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).
Toy izao ny filaharan’ny vokatra azon’ny Kandida miisa 13:
  • Rajoelina Andry Nirina (TGV) 2 856 090 (58,95%)
  • Randrianasoloniaiko Siteny Thierry (PSD…) 697 453 (14,40%)
  • Ravalomanana Marc (TIM) 586 273 (12,10%)
  •  Rajaonarimampianina Hery (HVM) 251 145 (5,18%)
  •  Andrianainarivelo Hajo (MMM) 91 155 (1,88%)
  •  Razafinjoelina Tahina (FTT) 76 608 (1,58%)
  • Ratsiraka Iarovana Roland (MTS) 76 532 (1,58%)
  •  Razafitsiandraofa Jean Brunelle (APM) 63 336 (1,31%)
  •  Raderanirina Sendrison Daniela (Fy-M) 39 061 (0,81%)
  • Ratsirahonana Lalaina Harilanto (Fihavanantsika An’i Kristy) 32 580 (0,67%)
  • Raobelina Andriamalala Tsiverizo 30 137 (0,62%)
  •  Paraina Auguste Richard (TT) 29 764 (0,61%)
  •  Ratsietison Jean Jacques (FMI-MA) 14 630 (0,30%)
46,36%n’ny mpifidy voasoratra anarana no nandray anjara tamin’ny latsa-bato tamin’ity fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra 2023 ity. 5 119 492 tamin’ny mpifidy 11 043 836 no nandray anjara tamin’izany. Nahatratra 4 844 764 ny vato manan-kery, izay manome salanisa 94,63%. 127 145 kosa ny vato fotsy (2,48%). 147 583 (2,88%) kosa ny vato maty.
Raha ampitahaina tamin’ny taona 2018 dia nihena manodidina ny 1, 93% isan-jato ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. 48,09% ny tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018, raha 46,36% izany tamin’ity 2023 ity. Nitombo kosa ny isan’ny olona nandatsa-bato.
Andry Rajoelina: nitarika tamin’ny faritany 6
Nitarika tamin’ny faritany 6 eto Madagasikara ny kandida Andry Rajoelina : Fianarantsoa (66,07%), Toamasina (62%), Antananarivo (59,61%), Toliara (54,68%), Mahajanga (52,87%), Antsiranana (51,78%).
Nitazona laharana faharoa tamina faritany telo kosa ny kandida Randrianasoloniaiko Siteny : Toliara (26,06%), Fianarantsoa (14,31%), Toamasina (10,48%). Laharana fahatelo kosa izy tao amin’ny faritany Antsiranana (11,86%), Mahajanga (10,59%), Antananarivo (9,23%).
Faritany roa no nahazoan’ny kandida Ravalomanana Marc laharana faharoa : Antananarivo (21,58%), Mahajanga (18,41%); ary Toamasina (9,81%), Toliara (7,49%), Fianarantsoa (7,08%).
Tao amin’ny faritany Antsiranana kosa no nahazo ny laharana faharoa ny kandida Rajaonarimampianina Hery, nahazo ny 19,99%n’ny vato manan-kery; ary ny Toamasina (7,25%), Mahajanga (6,67%), Fianarantsoa (2,89%), Toliara (2,49%), Antananarivo (2,09%).
Partagez :
Romuald