Valanjazaboary Tsimbazaza : nisy biby maty vokatry ny raboka hita amin’ny varika

  • 8 octobre 2022
Nisy biby maty tao amin’ny valanjavaboary ao Tsimbazaza vokatry ny raboka hita amin’ny varika. “Nandritra ny fitiliana natao tamin’ny varika maty tao amin’ny valanjavaboary Tsimbazaza no nahafantarana fa raboka no nahafaty azy”, araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.
“Nandray fepetra avy hatrany ny tomponandraikitra ka nahiboka ireo biby izay nifanerasera taminy, ary nofefena tsy hoazo idirana na ivezivezen’ny olona ny toerana misy azy ireo. 12 no efa manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao”, araka ny vaovao voaray.
Ankoatr’izay dia efa misy ireo peta-drindrina eny an-toerana hoan’ireo mpitsidika ny valan-javaboary Tsimbazaza izay “anentanana ny rehetra ny fanajana an-tsakany sy an-davany ireny toro-marika ireny”.
“Hajoro ny komity siantifika iraisan’ireo sampan-draharaha samihafa hanadihady sy hametraka vahaolana siantifika manoloana io tranga io”, araka ny tatitra voaray.
Partagez :
Mahandry