Valanjavaboary Tsimbazaza : hamafisina ny fanarahana maso ny biby sy ny fiarovana azy

  • 11 octobre 2022

Hamafisina ny tan-tsoroka sy ny fiaraha-mientana amin’ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza amin’ny fanarahana maso ny biby sy ny fiarovana azy ireo amin’ilay trangan’aretina raboka miseho ao an-toerana.Atao izay tsy hiparitahan’ny valan’aretina, hoy ny avy eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Hisy koa ny fepetra raisina hiarovana ny biby hafa rehetra sy ny fahasalaman’ireo mpiasan’ny valanjavaboary ary ireo mpitsidika. Mitohy araka izany ny fanadihadihana amin’ny mety anton’izao tranga izao .

Manambara ny minisitera fa miara-mientana amin’ny fivoriana hijerena ny hanatanterahana izany ny sampan-draharaha rehetra voakasiky ny raharaha izay ahitana ny minisitera mpiahy ny valanjavaboary Tsimbazaza, ny fitaleavan’ny sampan-draharahan’ny dokotera mpitsabo biby ary ny avy ao amin’ny Fandaharanasam-pirenena miady amin’ny raboka.

Miisa 8 ireo biby maty ary miisa 12 ireo mitondra ny valan’aretina raboka araka ny valim-pitiliana natao tamin’ny biby miisa 56. Tsy nisy voakasiky ny valan’aretina ny mpiasan’ny valanjavaboary.

Partagez :
Mahandry