Valan-javaboary Madagasikarantsika : afak’olana amin’ny lalana.

  • 9 mai 2023

Tontosa ny fanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy ny valan-javaboary Madagasikarantsika ao amin’ny Fokontany Ampotaka, Distrikan’i Mandoto sy ny RN°34.
Ny Faritra Vakinankaratra sy ny orinasa Sacimen – Imperial Brands ary ny kaominina ambanivohitra Mandoto no niara-namita ny fandraisana ara-teknika ny lalana vita.

Ity toerana ity dia valan-javaboary midadasika mirefy 110 ha natao indrindra hiarovana ny zavaboary sy ny tontolo iainana. Ny Tetikasa « Parc Botanique MADAGASIKARANTSIKA » izay iantohan’ny orinasa Imperial Brands dia anisan’ny tetikasa goavana eto Madagasikara momba ny fiarovana ny tontolo iainana.

Partagez :
mialy