Vakinankaratra : Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny tetikasa “Titre vert”.

  • 12 juillet 2023
320 no antontan-taratasy voaray nandritra ny fandraisana ny mombamomba an’ireo tanora vonona hisitraka ny tetikasan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina “Titre Vert andiany faharoa” tao amin’ny Faritra Vakinankaratra.
Ao amin’ny distrikan’ny Faratsiho-Amparihy no hanatanterahina izany amin’ity andiany ity.
Omaly 11 Jolay no nanombohana ny fandinihana sy fifantenana ireo antonta-taratasy ireo. Notarihin’ny Vyvato Rakotovao Governora sady Filohan’ny komity « Titre Vert », sy Razafindranaivo Donie Alexia Lehiben’ny Distrikan’i Faratsiho ary ireo Talem-paritra isan-tsokajiny.
100 no tanora hotsongaina, ka velarantany mirefy 1ha no hajarian’izy ireo mandritry ny telo taona, amin’ny seha-pihariana fambolena katsaka sy soja ary fiompiana akoho gasy.
Misy ny mason-tsivana hifantenana ireo hisitraka, anisan’ izany ireo nanaraka fiofanana sy manana traikefa mahakasika ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana.
Partagez :
Carinah Mamilalaina