UTIDA : fametrahana  paikadim-pampandrosoana ho an’ny fiompiana ny atirano

  • 28 novembre 2023

Miisa 07 ireo firenena  misitraka ny tetikasa UTIDA na « outil de prise de décision en matière d’investissement dans l’aquaculture » ka tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga (MPEB). Manatrika ny fampiofanana mahakasika ny fametrahana ny paikadim-pampandrosoana ny fiompiana ny atirano amin’ny fampiasana ny UTIDA araka izany ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Jono.

Ny faha 27 novambra, hatramin’ny faha 02 desambra 2023 no hanatanterahana ny atrikasa any Dakar. Tanjona  ny hanome vahana ireo fomba famokarana mahomby ho an’ireo mpamokatra mba aharitra amin’ny alalan’ny politika sy fandaharan’asa mifototra ara-tsiansa, ny fikarohana vaovao ara-teknika sy ny fampiroborobohana ireo sehatra tsy miankina.

Partagez :
Mahandry