USAID: Nahazo fanampiana ara-pitaovana mitentina 1,5 tapitrisa dolara ny tobim-pahasalamana any amin’ny faritra Boeny sy Sofia

  • 11 septembre 2021

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy dia nanolotra fitaovam-pitsaboana mitentina 1 500 000 dolara ho an’ny distrika 13 any amin’ny faritra Boeny sy Sofia ny fanjakana amerikana amin’ny alalan’ny Project C.U.R.E.   sy ny USAID’s ACCESS Health Program.

Ireo fitaovana ireo dia ahitana kidoro, fitaovam-pitiliana, kojakojam-piterahana, fihazonana serum ary  fandanjana.

Izao fampitaovana ireo tobim-pahasalamana izao moa no natao dia mba hananan’ny vahoaka toky bebe kokoa amin’ny toeram-pitsaboana eto Madagasikara sy hanampiana ny ezaka efa ataon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fandraisana an-tanana ny marary.

Partagez :
Mahandry