UNESCO : fampidirana ny Hiragasy ao anaty harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona

  • 9 novembre 2023
Andrasana amin’ny desambra ny fankatoavana faran’ny komity fara-tampony ho fampidirana ny Hiragasy ao anaty harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny UNESCO.
“Manolo-kevitra ny hankatoavan’ny komity iraisan’ireo governemantan’ireo firenena mpikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana/fiarovana ireo harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel) ny fampidirana ny “HIRAGASY” ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Patrimoine immatériel de l’Humanité), ny komity mpanao sivana (Organe d’Evaluation) eo anivon’ny UNESCO”, araka ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
“Ny 4 hatramin’ny 9 desambra ho avy izao no hivory any Kasane, Botswana io komity fara-tampony mpandray fanapahan-kevitra eo anivon’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana/fiarovana ireo harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (Convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel) io, ka mandritra izany no hiandrasana izany fanapahan-kevitra izany sy ny fanambarana ofisialy ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny UNESCO ny “Hiragasy”.
Aorian’izany fanambarana ofisialy izany, dia ny “Hiragasy” no kolontsaina malagasy faharoa tafiditra anatin’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona eo anin’ny UNESCO nandritra izao fitondrana izao, taorian’ny “Kabary”. Ny volana aprily 2022 no nametrahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity antontan-taratasy momba ny hira gasy ity teo anivon’ny UNESCO.
Partagez :
Mahandry