“Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ny 8 marsa”

  • 7 mars 2024

Nitsidika ny mozea Vavitiana ao Toamasina ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Augustin Andriamananoro, ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Haingo Fomendraza vao nigadona tao an-toerana. Saika vehivavy avokoa ny antsasa-manilan’ireo ankizy mianatra manao sary ao amin’ity toerana ity. 11 ka hatramin’ny 17 taona izy ireo.

“Tsy tokony hijanona ho fankalazana fotsiny ny 8 marsa, fa tokony hiray hina ny vehivavy mba hifampisintona miakatra, hiala anaty faharefoana satria andry iankinan’ny ankohonana ka tokony ho andry iankinan’ny firenena ihany koa” hoy ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina anatin’izao ankatoky ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy izao.

 

Ny toerana toy izao no hahafahana manome lanja sy mampita lalatsaina tsara, sy ny kolontsaina amin’ireo taranaka. Azo atao soamantsara ny mamadika izao ho asa mahavelona, hoy ny minisitry ny Mponina. Ilaina ny fampahafantarana ireo malagasy ny fisian’izao toerana izao manerana ny faritra mba hahafahana mandrato kolontsaina Malagasy isam-paritra izay nisy hatrizay satria ny kolontsaina dia haren’ny firenena.

Nanararaotra nampita fahalalàna tamin’ireo ankizy mikasika fanaovana sary koa ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Partagez :
Natacha Hasimbola