Tsy nafindra amin’ny Fondation Axian ny fitantanana ny Parc Botanique et Zoologique Tsimbazaza

  • 18 novembre 2021
” Tsy marina velively fa nafindra amin’ny vahiny na amin’ny fondation Axian ny fitantanana ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza” araka ny fampahafantarana nataon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Toy ireo tolotra rehetra hoy hatrany ny minisitera dia mandray sy mandinika momba ny tolotra izay naroson’ny Fondation Axian miaraka amin’ny teknisianina izy.
Efa eo am-panarahana akaiky momba ny fitantanana ity valan-java-boahary ity ny eo anivon’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) sy ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly raha ny fampitam-baovao hatrany.
Ny tanjona dia ny fanatsarana hatrany ny fitantanana ity toerana ity izay iray amin’ireo foibem-pikarohana sivy sahanin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa.
Partagez :
Mahandry