Tsy maty manota ny teratany vahiny mpizaha tany manao fanararaotana ara-pananahana amin’ny zaza tsy ampy taona ao Toliara

  • 8 août 2023

Mbola mijanona ho tsy maty manota ny mpizaha tany manao fanararaotana ara-pananahana amin’ny ankizy tsy ampy taona sy herisetra ara-pananahana amin’ny olona sahirana ara-pivelomana ao Toliara.

Tranga maromaro momba ny fanararaotana mihatra amina vehivavy, indrindra ny tsy ampy taona, no notaterin’ny vovonana fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fiarovana ny zaza ao amin’ny Tanànan’ny masoandro (Toliara). Tsy voasazy avokoa anefa ny tompona antoka tamin’ireo asa ratsy ireo. Etsy an-daniny anefa, iharana fampihorohoroana ny olona akaiky ireo lasibatry ny herisetra.

Vao tsy ela izay, tamin’ny herinandro lasa iny, nisy teratany vahiny iray tratran’ny mpitandro filaminana niaraka tamina ankizy vavy tsy ampy taona dimy, 8 hatramin’ny 13 taona, tao anatina trano fandraisam-bahiny iray. Taorian’ny loharanom-baovao avy amina olona vitsivitsy, niroso tamin’ny fisamborana ity vazaha ity ny polisy. Zaza tsy ampy taona roa no niaraka taminy tamin’izay. Mialoha ny fahatongavan’ny polisy anefa dia mbola nivoaka nitady ankizy vavy tsy ampy taona hafa  teny an-dalana izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy. Tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo ankizy vavy tsy ampy taona 5 ireo avy eo ity vahiny ity.

Notazomina nandritra ny 48 ora ity vahiny ity natao fanadihadiana, saingy nahazo fahafahana vonjimaika rehefa niakatra fampanoavana ny sabotsy teo. Tamin’iny andro nahazoany fahafahana iny ihany dia efa  hitan’ny olona niaraka tamina ankizy vavy tsy ampy taona roa hafa koa ity vazaha ity.

Teratany vahiny iray hafa tokony ho 70 taona koa, ankoatra izay, no tratra niaraka tamina ankizy vavy 14 taona tamina hotely iray. Nahazo fahafahana vonjimaika ity vazaha ity, mandra-piandry ny fitsarana azy ny 24 aogositra izao.

Ankoatra izay, ankizy vavy iray avy any Sakaraha no bevohoka noho ny fanolanana ; ary misy olona moana iray koa naolana teratany malagasy. Samy mbola tsy voasazy avokoa ny nahavanon-doza.

Etsy an-daniny anefa, iharana fandrahonana avy amin’ireo nahavanon-doza ny fianakaviana akiky ny lasibatry ny herisetra. Vao tamin’ny 23 jona teo izay no nisy ankizy vavy iray 8 taona, simba tanteraka noho ny fanolanana nataona rangahy 70 taona tao amin’ny kaominina Mitsinjo, Toliara. Saingy mbola afa-maina hatrany ny olondratsy.

Partagez :
Mahandry