Sport
Tsy maty i Dezy Monstre, ary miantso ny mpitondra hijery ny mpilalao tamin’ny ekipam-pirenena teo aloha
Narary, vokatry ny fahatsetseman’ny lalan-drà i Dezy Monstre, ary efa mihatsara ny fahasalamany ankehitriny raha ny namabarany. Tsy marina araka izany ny filazana fa maty izy.
Araka ny fifampiresahana tamin’ny antso an-tariby tamin’ity kalazan’ny baolina kitra malagasy teo aloha ity, dia nanamafy izy, fa mbola « somary sahirana kely rehefa miresaka », ary mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy, tao anatin’ny Club M, i Dezy Monstre, ary nisedra fahasahiranana goavana taorian’ny fijanonany tsy nilalao tao amin’ny ekipam-pirenena. Ny namana akaiky toy an’i Donné Vy mivady, izay mpandraharaha misehatra amin’ny rafitra vy, no nanampy azy. Nitarika tanora mpanao baolina teny amin’ny faritra Alasora i Dezy, tamin’izany.
Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana araka izany i Dezy Monstre ny mba hijerena azy sy ireo mpilalao tamin’ny ekipam-pirenena malagasy teo aloha, amin’ny taranja rehetra fa tsy ny baolina kitra ihany.