Tsy manaiky hifindra eny amin’ny Fisandratana ny koperativa etsy amin’ny Fasan’ny Karana

  • 20 août 2021

 

Tsy manaiky ny hamindrana ny tobim-piantsonan’ny taxi borosy fasan’ny karana ho eny amin’ny Fisandratana Ambohimanambola ireo fikambanan’ny Koperativam-pitaterana. Hevitra notapahan’ny filohan’ny koperativa miisa 28 amin’ireo 36 tonga nandritry ny fivoriana notanterahana teny By pass androany 20 aogositra izany.

Antony tsy handehanana eny, hoy ny filohan’ny Fikambanana Randriamparany Martin ny fahalaviran’ny toerana voalohany indrindra Faharoa, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny mpitatitra ny drafitra nanaovana io tobim-piantsonana io, tsy nisy dinika niarahana tamin’izy ireo ny fandrafetana io drafitra io.

Soso-kevitra avy amin’izy ireo ny hanatsarana ny fotodrafitrasa eo amin’ny Fasan’ny karana ho lasa manarapenitra ary ny any Ambohimanambola kosa dia hatokana ho an’ireo koperativa miatsinanana.

Partagez :
Mahandry