Tsy hihemotra ny fididianana biraon’ny holafitry ny mpanao gazety

  • 14 octobre 2021
Namoaka fampitam-baovao manamafy ny hanatanterahana ny fifidianana ny ho birao maharitry ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara ny vaomiera itambarana misahana izany. Voatazona hoy ny fanambarana ny datin’ny 16 oktobra 2021 hanatanterahana ny fifidianana manerana ny nosy.
 
Hisokatra amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro ny birao fandatsaham-bato eny amin’ny renivohi-paritra. Anjaran’ireo vaomiera isam-paritra no manao ny fandrindrana.
 
Ho an’ny faritra Analamanga kosa dia etsy amin’ny trano fivorian’ny vaomieram-pirenena ho an’ny UNESCO (COMNAT UNESCO) eo Antanimena no hisy ny birao fandatsaham-bato.
 
Karapanodrom-pirenena no entina mifidy ho an’ireo izay voasoratra ao anatin’ny lisitr’ireo mpanao gazety nahafeno fepetra izay navoakan’ny vaomiera ny voalohan’ny volana septambra lasa teo.
 
Nanao fanambarana ihany koa, ankoatra izay, ny mpikambana telo amin’ireo dimy mandrafitra ny vaomiera itambarana ho an’ny faritra Analamanga, izay nanamafy fa hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanatontosana io fifidianana biraon’ny holafitry ny mpanao gazety ny sabotsy 16 oktobra io. Voakasik’izany ireo solontena avy amin’ny mpanao gazety zokiolona, avy amin’ny mpanao gazety miasa amin’ny haino aman-jerim-panjakana ary ny solontenan’ny lehibena orinasan-gazety.
Partagez :
Mahandry