Tsy hanohy ny lalao: vonona handoa ny sazy 25.000 USD ny CFFA

  • 20 octobre 2021
Vonona handoa ny sazy 25.000 USD na 100 tapitrisa ariary, ho an’ny CAF sy ny Klioba nanafika ny CFFA (Centre de Formation de Football Andoharanofotsy) noho ny fialany an-daharana amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasionina Afrikaninan’ny baolina kitra (coupe de la CAF). Io no nambaran’ny ny filoha mpanorina ny klioba sady filohan’ny Ligin’ny baolina kitra Analamanga Rakotoarimanana Henintsoa nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety nataony androany.
Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba hatrany dia ambony lavitra noho io sazy io ny saran-dalana mihazo an’i Angola satria dia manodidina ny efatra miliara ny teti-bola ho lany amin’izany.
Naneho ny fahavononany hanampy azy ireo ny Filohampirenena amin’io fandehanany io noho ny fahitany ny endri-dalao nasehon’izy ireo teny Mahamasina nandritra ny lalao mandroso ny alahady 17 oktobra. Taorian’ny fifampiresahana anefa dia tapaka ny hevitra fa tsy hiatrika ny lalao mandroso izy ireo fa nisafidy kosa ny hanangana kianja amin’ny vola efa voatokana entina makany Angola.
“Mbola klioba iray no manana kianja eto Madagasikara. Tanjon’ny vahoakan’Andoharanofotsy dia ny mba hanana kianja. Tanteraka izany ankehitriny”, hoy ny fanazavan-dRakotoarimanana Henintsoa. “Sahirana ireo mpilalao nadray ity fanapahan-kevitra ity. Nazava tamin’izy ireo ihany anefa izany taorian’ny fifampiresahana. Nisy ny fialana sasatra nataon’izy ireo taorian’ny lalao ny alahady teo.
Sambany ny CFFA vao resy ny alahady teo ary lalao sahala iray. Noraisin’ireo mpilalao am-pahendrena ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpanazatra Titi Rasoanaivo.
Resy tamin’ny isa 3-0 ireto mpilalaon’ny kaominina Andoharanofotsy ireto nandritra ny lalao mandroso nihaonana tamin’ny interclube avy any Luanda natao teny Mahamasina ny alahady 17 oktobra teo.
Partagez :
Mahandry