“Tsy ampy ny sazy fanagadrana fa tsy maintsy vosirina ny olona tratra manolana zaza tsy ampy taona”.

  • 7 mars 2024

Hijoro hiaro ny vehivavy indrindra ny zaza tsy ampy taona voaolana ny Filoha. Hentitra ny toromarika nomeny fa tsy ampy ny sazy fanagadrana homena ireo nahavanon-doza. Tsy maintsy vosirina izy ireny mba tsy ahafahan’ny fitaovam-pananahany hiasa intsony. Nametra-panontaniana ny Filoha ho an’ireo mbola sahy miteny sy miaro ireny mpanolana ireny. “Mbola misy ihany ve ny afaka miteny fa hoe sazy fotsiny dia ampy raha sanatria ka zanany vavy kely tsy manan-tsiny no tratran’izany.”

Hampieritreretana  ireny olona ireny dia hanao horonantsary  mampiseho ny nahazo ireny zaza ireny, ny zavatra nihatra taminy, ny ratra sy ny “traumatisme ” nahazo ireny zaza ireny ny fanjakana malagasy.

Nanome baiko  ny mpitondro filaminana ihany koa ny tenany mba handray andraikitra hiaro ireny zaza ireny sy hampiatra ny sazy. Nandritra ny lahateniny tamin’ny fitokanana ny biraon’ny Fitaleovam-paritry ny Filaminam-bahoaka teto Toamasina moa no nanambarany izany. Niarahaba sahady  ny vehivavy Malagasy  ny amin’ny nahatratraran’izy ireo ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ny Zon’ny Vehivavy izao ny Filoha Andry Rajoelina no sady nanamafy fa zava-dehibe ny fanomezana lanja ny vehivavy.

Partagez :
Mahandry