TSENAN’ANOSIBE : Tsy voaporofo ny famadihana ny vary Tsipala ho vary nafarana

  • 26 juillet 2023

« Tsy voaporofo ny filazana fa misy mpivarotra manao hosoka mamadika ny vary « semence » sy « tsipala » ao anaty gony mba ho vary nafarana halafolafo kokoa ny vidiny ».

Raha araky ny fitarainana tao amin’ny  tambazotran-tserasera dia misy mpivarotra manolo ny karazam-bary amidy mba hakana tombony eny amin’ny tsenan’Anosibe.  Nanao ny fittsirihana nizany ny teo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa, ny Foibem-pitondrana misahana ny Varotra Anatiny ary ny Fitaleavam-paritra Analamanga omaly Talata 25 Jolay.

Hita teny an-toerana ny olona nandefa ny vaovao, saingy rehefa natao ny fitsirihana dia tsy voaporofo anefa hatreto ny fahamarinany.

Hitohy hatrany kosa ary ho hamafisina ny fanaraha-maso atao manerana ny tsena rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina mba hisorohana ny mety ho fisian’izany fanararaotana ataon’ny mpivarotra sasantsany izany. Ho hentitra ny Ministera amin’ny fanasaziana izay tratra minia manao hosoka toy izany.

Partagez :
Mahandry