Tsenaben’ny Fizahantany  VII: mila tohizana hatrany ny fampahafantarana ireo toerana azo tsidihina

  • 15 mars 2024

Maherin’ny 50 000 ny mpizahantany tonga nitsidika ireo karazana valanjavaboahary eto Madagasikara, raha oharina tamin’ny 2019. Mivoatra araka izany ny fizahantany anatiny, raha ny tahan’ny mpizahatany tonga mitsidika ireo karazana valanjavaboahary ireo no jerena, hoy ny Tale jeneralin’ny Fizahantany, Andriamanohera Tsitohaina.

Ho fampivoarana hatrany, ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fizahantany anatiny indrindra no antony hanohizana hatrany ny Tsenaben’ny Fizahantany, izay hetsika natokana hampahafantarana ireo karazana tolotra ataon’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fizahantany. Eo koa ny fampahafantaran’ny mponina ny filàny eo amin’ny lafiny fizahantany.

Ankoatra izay, misy koa ny fampahafantarana  ireo toerana vaovao isam-paritra, azo tsidihana toy ny any Faradofay, Toliara, Antsiranana. Azo fantarina eny amin’ny tranoevan’ny Tsenaben’ny Fizahantany izay atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina izany, hatramin’ny 17 marsa izao izany.  Raha ny fenitra iraisam-pirenena dia sokajiana ho fizahantany ny fialàna amina toerana fonenana isanandro  mankany amin’ny toerana iray hafa ka mihoatra ny 24 ora.

Ho an’ity andiany faha7 ity, nasongadina ny fanomezana tolotra any amin’ireo faritra tsy misy ranomasina mba hialana amin’ny mahazatra. Maro ny toerana tsy misy ranomasina fa manana ny tantarany izay tokony hofantatra, ka nasiana fihenam-bidy mba ahafahan’ny sarambaben’ny malagasy mitsidika an’i Madagasikara manontolo. Misy koa ny fifaninanana mahandro sakafo malagasy ka hahazoana loka samihafa misehatra amin’ny fizahantany.

Azo tsidihan’ny rehetra maimaimpoana ny hetsika izay ahitana tranoeva manodidina ny 20, manasongadina ireo mpisehatra matianina amin’ny fizahantany.

Partagez :
Nirinasoa Tafita