Tsenaben’ny Asa tanana : 110 ireo tranoeva natokana ho an’ny asa tanana

  • 5 mars 2024

Nisokatra ny 4 martsa ary hifarana ny 4 aprily izao ny fisoratana anarana ho an’ireo mpanao asa tanana maniry handray anjara amin’ny  »International Handicraft Madagascar » na ny IHM.

Hetsika iray ho an’ny tsenaben’ny Asa tanana andiany voalohany karakarain’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana hiarahany amin’ny Ofisy nasionalin’ny Fizahantany. Hatao ny 20 ka hatramin’ny 24 jona izao izany, eny amin’ny CCI Ivato. Voakasik’izany avokoa ireo sehatry ny asa tanana miisa 14, ary afaka misoratra anarana ny mpanao asa tanana manerana ny faritra.

Amin’ny maha hetsika iraisam-pirenena azy anefa dia noferana ho 110 ireo tranoeva natokana ho an’ny asa tanana mandritra ity hetsika ity, izay mifanindran-dalana amin’ny  »International Tourism Madagascar » na ny ITM. Voafetra koa araka izany ny isan’ireo afaka mandray anjara amin’izany, ka misy ny sivana tsy maintsy atao.

Takiana voalohany amin’izany ny tsy maintsy maha mpanao asa tanana sy maha mpamorona vokatra iray. Jerena koa ny fahaizana manokana ireo karazana teknikam-pamoronana. Eo koa ny fahafahana mamokatra maro, ary fahafahana mampiseho ny vokatra tany aloha sy ny vokatra farany.  Ankoatra izay, tsy maintsy tomponandraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny  mpanao asa tanana iray, ary hita amin’ny alalan’ny vokatra ataony izany.

Notsindrian’ny minisitra misahana ny Fizahantany sy ny Asa, Randriamndranto Joel, fa manamora ny fanisana ireo mpanao asa tanana ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny rohy. Natao koa hisian’ny mangarahara izany, noho ny fahitana izay nanoratra anarana mialoha ka mahafeno fepetra.

Eo am-pametrahana karazana tetikasa hampiroboroboana kokoa ny sehatra Asa tanana ny minisitera miandraikitra izany amin’izao. Voalohany amin’izany ny  »International Handicraft Fair Madagascar » na ny IHM. Mbola maro koa ny hetsika hatao amin’ity taona ity hanomezan-danja manokana ny sehatry ny Asa tanana eto Madagasikara, hoy ny minisitra tomponandraikitra ka tsy tokony ho kivy izay tsy voantso amin’ity.

 

Tsy maintsy atao amin’ny iray amin’ireto rohy ireto ny fisoratana anarana :

Ho an’ny teny frantsay dia ny https://ee.kobotoolbox.org/k2pyIOCs

Ho an’ny teny malagasy kosa dia ny https://ee.kobotoolbox.org/sfaD5Nsp

Partagez :
Nirinasoa Tafita