Tranompokonolona Anororo : Niova endrika noho ny hetsika Tañamaro.

  • 1 octobre 2022
Nahazo endrika vaovao ny tranompokonolona ao amin’ny kaomina Anororo, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro noho ny fanarenana natao tamin’ny alalan’ny hetsika Tañamaro manokana, natao ny zoma 30 septambra 2022.
Nosoloina nandritra izany ny tafo; nolalorona sy nolokoina ny rindrina; nosoloina avokoa ny varavaram-be sy ny varavaran-kely rehetra. Nifarimbona tamin’ny asa fanarenana izany ny mponin’Anororo sy ny hery velona rehetra, notarihin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana.
Notsiahivina nandritra izany ny maha zava-dehibe ity Tañamaro, izay hetsiky ny olom-pirenena rehetra tsy anavahana, entina miara-mientana sy mifanolo-tanana anarenana sy ikojakojana fotodrafitrasa iombonana iray.
Partagez :
Mahandry