Trano fonenana Sahaza « logements sociaux » eny Ivato : misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fifantenana

  • 4 novembre 2021

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay maniry ny hisitraka ny trano fonenana sahaza « logements sociaux » araka ny nambaran’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard androany 4 novambra nandritra ny fanokafana ny « salon international de l’habitat » teny Tanjombato.

Afaka misoratra anarana amin’ny tranokalan’ny ANALOGH www.analogh.mg ireo maniry hisitraka ny trano fonenana sahaza. Arahana atsapaka ny fomba fifantenana. Tanjon’ity tetikasa ity ny hanamaivanana ny malagasy manofa trano. Miendrika varotra-fanofana ny tetikasa ary ho loha-laharana amin’ny fisitrahana azy ny olona afaka manefa isam-bolana mandritry ny 15 taona ny vidin’ny trano izay tsy mihoatra ny 15 tapitrisa ariary.

« Trano lehibe « buildings » miisa 9 no natsangana ao Ivato ary efa ho vita tsy ho ela ; ahitana « appartements » miisa 15 ary « studio » iray ny trano lehibe iray.Noherverina hananganana trano miisa 38, izany hoe apartemanta miisa 570 sy « studios » miisa 38 ny toerana mirefy 14ha » araka ny nambaran’ny sekretam-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny trano fonenana hatrany.

Partagez :
Mahandry