Tontolo iainana : mitohy ny ady amin’ny mpitrandraka tsy ara-dalàna

  • 23 mai 2023

Olona miisa 3 no tratran’ny ekipan’ny foibem-paritry ny tontolo iainana ao Atsimo Andrefana tao amin’ny faritra arovana Mikea ny herinandro lasa teo. Nahitana hazo tsy ara-dalana miisa 34 tany amin’izy ireo izay tsy nahazoana alalana.

Ankoatra izay, fiara mpitatitra arina fandrehitra tsy ara-dalana iray koa no tratra teny amin’ny lalam-pirenena faha 9. Arina fandrehitra miisa 260 gony no tra-tehaka tamin’izany.

Efa nogiazana avokoa ireo hazo sy arina fandrehitra ireo ary efa atolotra ny fitsarana kosa ny olona nanao izany.

Partagez :
Mahandry