Tombim-pamokarana herinaratra Ambohimanambola : ho vita amin’ny volana desambra

  • 23 juin 2023

Vinavinaina ho vita amin’ny volana desambra 2023 ny asa fanitarana atao eny amin’ny tobim-pamokarana Ambohimanambola. Ny 25% ny asa no efa vita hatreto.

Ny volana aogositra izao no hametrahana milina mpihary miisa roa (02). Ny volana oktobra kosa ny telo (03), ary ny volana desambra ny roa (02) farany, izany hoe mitotaly 7 ka samy hanome 15 MW avy.

Hanana tanjaka 105MW ny asa fanitarana tanterahana ao Ambohimanambola. Hanampy amin’ny famatsiana herinatra an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) izy ity. Famatsiam-bola an’ny Fitondram-panjakana Malagasy madiodio no hanaovana ny asa. Noraisina tamin’ity herinandro ity ireo fitaovana hanohizana ny asa izay tontosain’ny « Trigu Energy ».

Partagez :
Sissie Raveloson