Social

Tetikasa PACFC : fiara tsy mataho-dalana miisa 6 ho an’ny MICC

Fiarakodia tsy mataho-dalana miisa 6 avy amin’ny tetikasa fampandrosoana sy fanamorana ny varotra (Projet d’Aménagement de Corridors et des Facilitations du Commerce (PACFC),  no nomena ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) omaly.

Tanjona amin’izany ny hampiroborobo ny varotra sy ny fampiasam-bola izay hitondra soa ho an’ny tantsaha, ny mpanjono ary indrindra indrindra ny mpivarotra.

“Afaka ny sakana ara-materialy. Hanafaingana ny fanatanterahana ny asa ny fahazoana ireo fitaovaona ireo”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny, Rakotondramanana Onja Miandry, raha nandray izany.

Ny PACFC dia tetikasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ary vatsian’ny Banky afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) vola.

Nankasitra manokana izao fifanomezan-tanana eo amin’ny minisitera roa tonta izao ny Sekretera jeneraln’ny minisitera misahana ny Varotra. “Minisitera teknika mifameno ny minisitera roa. Mifameno dia mahavita zavatra maro ary mahazo vokatra haingana”, hoy izy. Hanatsara ny fidiran’ireo mpamita iraka any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny fahazoana ireto fiara ireto.

Articles similaires

Laisser un commentaire