Teboka telo no ifantohan’ny fanjakana hampiroboroboana ny Asa tanana

  • 22 février 2024

Hojerena manokana ny ahafahan’ny mpanao asa tanana manana sy mampiasa ireo akora fototra ilaina amin’ny famokarana. Imasoan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny fametrahana ny foiben’ny tsena ho an’ny Asa tanana.

Ankoatra izay, laharampahamehana koa ny fanomezana fiofanana ho an’ireo mpanao asa tanana mba ahafahany mamokatra zavatra misy kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Jerena manokana amin’izany ny fahaiza-manao mikasika ny fandraharahana, ny fahaiza-mamorona sy ny haikanto amin’ny vokatra iray. Fahatelo, notsindrian’ny minisitra, Randriamandranto Joël manokana, ny mikasika ny famokarana sy ny lalam-barotra amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Kendrena amin’izany.

Eo am-pametrahana karazana tetikasa hampiroboroboana kokoa ny sehatra Asa tanana ny minisitera amin’izao, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana hatrany. Maro koa ny hetsika hatao amin’ity taona ity hanomezan-danja manokana ny sehatry ny Asa tanana eto Madagasikara. Voalohany amin’izany ny ”International Handicraft Fair Madagascar” na ny IHM, hatao ny 20 ka hatramin’ny 23 Jona izao, eny amin’ny CCI Ivato.

Partagez :
Nirinasoa Tafita