Taxi-Moto : mangataka ny fandinihana indray ny tolo-keviny eo anivon’ny kaominina

  • 8 septembre 2021

Mangataka ny hamerenana handinihana indray ny tolo-keviny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fikambanan’ny taxi-moto raha ny nambaran’izy ireo androany teny Ambohijatovo. Tsiahivina fa nolavin’ireo filankevitra monisipaly ny fisian’ny “taxi-moto” eto Antananarivo Renivohitra nandritra ny fivoriana ny 30 sy 31 aogositra lasa teo. Mpanolontsaina 49 tamin’ireo 54 no nitsipaka izany.

3000 mahery ireo mpisehatra eo amin’ity seham-pitaterana ity, eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa manana karatra sy akanjo manokana ireo ao anatin’ny fikambanana raha ny fanazavana. Ny angatahan’izy ireo dia ny hanomezana alàlana azy ireo, hahafahana miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Efa ao anaty vinavinan’ny fikambanana ankehitriny ny hitsinjovana ny ara-tsosialin’ny mpisehatra toy ny fiahiana ara-tsosialy raha mahazo ny fankatoavana avy amin’ny fiadidiana ny tanàna.

Partagez :
Mahandry