Tarika “Reko” : mivoy ny mahaolona amin’ny alalan’ny mozika

  • 13 décembre 2023

Hanohy ny fanomezan-danja ny fahasamihafana sy ny mahaolona amin’ny alalan’ny mozika vokariny ny tarika Reko. Io no vina ho an’ny dimy taona manaraka, rehefa nivohy izany nandritra ny dimy taona teny an-tsehatra. Tsy ankanavaka ny gadona vohiziny, fa mifantoka amin’ny ”folk progressif”.

Miara-miainga indray ho an’ny dimy taona manaraka.

”Anisany mahasarotiny sy tsy ataonay ambanin-javatra ny tononkira. Tianay hoe ny tononkiranay tsy hangalatra ny fahadiovan-tsain’ny ankizy mihitsy”, hoy  i Fy Rasolofoniaina. Ho fanamarihana izany fahadimy taona niakaran’ny tarika an-tsehatra, hisy ny fitetezam-paritra hatao amin’ny taona ho avy. Fampisehoana miavaka noho kosa no hanombohana ny fanamarihana izany, ny alahady 17 desambra izao eny Antanimena, izay hiangaliana hira manodidina ny 34. Hitohy any ivelany izany, raha ny nambarany androany, nandritra ny famoriana mpanao gazety teny Ambodivona.

Tsiahivina, ny hira milohateny hoe ”Tiako ianao” no nahafantarana ny tarika.Teo koa ny ”Mitonia”, ”’Fohazo ilay zaza”, ”Hafa mihitsy”. ”Masoandro mibaliaka” kosa no hira navoakan’ny tarika farany izay miresaka momba ny fiarahana amin’ny fitondrana zavatra tsara mba hahomby. ”Ny Reko tsy manao politika, fa raha miresaka fihavanana dia ‘ndao tena fihavanana fa tsy sarisariny fotsiny”, hoy izy nanamafy.

Partagez :
Mahandry