Taranja tolona : nahazo medaly alimo roa i Madagasikara tany Tunisie, atileta telo nahazo tapakila hiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena

  • 24 mai 2023
Medaly alimo roa no azon’ny delegasionina malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja tolona, natao tany Tunisie ny 15 hatramin’ny 21 may teo. Tamin’ny alalan’i Andrianandrasana Sarah, sokajy latsaky ny 73Kg (dadette) sy Randrianatoandro Jessy teo amin’ny tolona ambony torapasika (lutte de plage), latsaky ny 70kg (seniors) no nahazoana ireo medaly ireo.
« Tokony mbola ho niampy roa na telo ireo medaly azontsika ireo, saingy noho ny fahataran’ny fiaingan’ny delegasionina teo ampiandrasana ny entimanana no tsy nahazoana azy. Taraiky vao tonga tany Tunisie ary voatery nozaraina roa ny delegasionina. Taraiky, araka izany, vao azo ny entimanana nahafahana nandefa an’i Jessy. Efa nadeha ny fifaninanana vao tonga tany an-toerana izy, ka nihintsana (forfaite) avy hatrany. Anisany tsara toerana anefa izy teo amin’ny fifaninanana “lute libre”, sokajy vehivavy raha miohatra amin’ny mpifanandrina aminy”, hoy ny fanazavan’i filohan’ny Federasiona malagasin’ny tolona, Raveloson Mamitiana.
Teo amin’ny sokajy lehilahy, tokony ho nandrombaka medaly koa isika malagasy teo amin’ny sokajy latsaky ny 86kg, tamin’ny alalan’i Raharison Manitra. Nitarika tamin’ny isa 10-1 izy tamin’ny lalao fiadian-toerana saingy hita taratra ny faharerahana noho ny dia na dia tsara fanombohana aza. Resy tamin’ny isa 12-13 araka izany ity solon-tenatsiaka lehilahy ity, ary nahazo ny laharana fafefatra. Teo amin’ny “lute de plage” lehilahy kosa dia nahitana an’i Bienvenu, izy izay nadresy foana nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona saingy noho ny fikorontanana teo amin’ny tabilao dia tsy tafakatra niatrika ny lalao famaranana izy araka ny fanazavan’ny filohan’ny federasiona hatrany. Ny mpifanandrina aminy araka izany no nanao ny famaranana na dia efa nisy aza ny fanamarihana natao, izay tsy nahazoana rariny.
Ankoatra izay, tafakatra hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany hatao any Istamboul, Turquie amin’ny volana aogositra izao i Sarah. I Jessy kosa dia tafita amin’ny fiatrehana ny “jeux Africain de Beach wrestling”, izay hatao any Tunisie ny volana jona izao. Nahazo ny tapakila ahafahana miatrika ny “Jeux Olympique” voalohany eo amin’ity taranaja misy azy ity izy. Any Indonésie no hanaovana izany amin’ny volana aogositra. Nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany , sokajy lehilahy , izay hatao any Serbie ny volana septambra koa i Raharison Manitra.
Mandritra izao dian’izy ireo any Tunisie izao dia mbola hiatrika fampiofanana sy fanazaran-tena ireo mpikatroka tolona malagasy mandritra ny herinandro. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ireo lalao goavana ireo sy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, hatao eto amintsika ny volana aogositra izao.
Partagez :
Hasina Rakotoarilina