Taona kolotoraly 2024: natomboka tamin’ny fampirantiana sary hosodoko tetsy amin’ny Ivokolo

  • 22 février 2024

Ny « Association des artistes plasticiens de Madagascar » no nisantatra ny hetsika atao mandritra ny taona kolotoraly 2024. Sary hosodoko 17 no aranty etsy amin’ny Ivokolo Analakely nanomboka androany. Tonga nanokatra ny fotoana teny an-toerana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamananoro Augustin, androany. « Adidin’ny ministera mpiahy ny mametraka rafitra hahafahan’ireo artista mampivelatra ny talenta voajanahary ao aminy », hoy andriamatoa minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Efa maro ny tanora mirona amin’ny sehatry ny hosodoko sy ny “arts plastiques” ka mila tohanana izy ireny mba hivelarany bebe kokoa eto antoerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Mila velomina ny zavakanto mba hamelona”, raha ny namabarany hatrany. Ny 5 aprily 2024 no hifarana ity fampirantiana ity ary maimaimpoana ny fidirana.

Ankoatra izany dia mitohy ny ezaky ny ministera hikarakara hetsika samihafa hanomezan-danja ireo artista mpanao hosodoko, isan’izany ny fikarakarana ny « Iray volan’ny Hosodoko » mandritra ny volana jolay sy ny hosodoko mitety faritra, eny fa hatrany Ampitan-dranomasina. Ny volana martsa izao kosa dia hisy ny atrikasa natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora hianaran’izy ireo ny fanaovana hosodoko eny amin’ny Ivokolo Analakely.

Partagez :
Nirinasoa Tafita