Taolagnaro: CRNM, mba hisitrahan’ireo vehivavy ny zony feno amin’ny fahasalamana ara-pananahana

  • 15 juin 2021

Antananarivo, 15 jona 2021 (DDIT): Hapetraka any Taolagnaro, faritra Anosy ny sampan-draharaha misahana ny fandrindram-piterahana, eny anivon’ny CRNM amin’ny alalan’ny fitaleavana ankapoben’ny Vehivavy any an-toerana.
Tanjona amin’izany ny hisitrahan’ireo vehivavy ny zony feno amin’ny fahasalamana ara-pananahana ka hananany fasahiana hijoro amin’izany.
Eo ihany koa ny hamerana ny fiterahana alohan’ny fotoana sy/na vokatry ny herisetra.
Ankoatra izay, hampiofanina ireo vehivavy hahafahany miala amin’ny vohoka tsy nirina, ho fanenana ny fandosirana adidy ataon’ireo Ray. Entanina koa ireo ray sy reny hanao fanabeazana aizana.
Vehivavy sy tanora 15 ka hatramin’ny 35 taona no kinendry amin’izany, noho ny hamaroan’ny vehivavy any amin’ny faritra Anosy.
Hanao « Caravane de Sensibilisation » ny minisiteran’ny Mponina, amin’ireo distrika 8 anatin’ny Faritra Anosy sy Androy, ka ny distrikan’Ampanihy no hanombohana ny asa, noho izy distrika marefo indrindra ara-pivelomana.
(Sary: Ministeran’ny Mponina)

Ta Fyh

Partagez :
Mahandry