Tanora 35 000 no kendreha hisitraka fiofanana arak’asa

  • 2 février 2024
 »Laharampahamena ny hanomezan-danja ny tanora mandritra ity fitondrana ity », hoy ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Anisan’izany ny fanomezana fiofanana ho azy ireo, ka kendrena ho 35 000 ny hisitraka izany amin’ity. Anisany noresahana androany 2 febroary tetsy amin’ny lapamaitso Anosy nandritra ny fampahafatarana ny programan’asa sy ny politika ankapoben’ny fanjakana ny mikasika ny tanora. Hisy koa ny fisitrahan’ny tanora ny satan’ny fanatanjahantena. Hanampy izany ny fametrahana karazana fotodrafitrasa manara-penitra.
Ankoatra izay, handraisana fepetra hentitra ireo tomponantoka rehetra amin’ny fanapariahana ny zava-mahadomelina. Hisy koa ny fametrahana toerana fandraisana an-tanana ireo tanora miankin-doha amin’ny fandraisana zava-mahadomelina. Hezahana havaozina ny lalàna 96-039 tamin’ny 9 novambra 1997 izay miresaka momba ny fandraisana zava-mahadomelina
Partagez :
Mahandry