Social

TANOMAFY: tanora 126 no masoivohon’ny filaminana eto Iarivo

Tanora miisa 126 no najoro ho masoivohon’ny filaminana eto Iarivo, tamin’ny alalan’ny tetikasa Tanomafy. Misy andraikitra miandry azy ireo. Anisan’izany ny fanentanana sy fanabeazana ny tanora sy ny mpiara-monina aminy ahafantatra ny zon’izy ireo mba hisitrahany izany sy hisian’ny filaminana. Eo ihany koa ny fitondrana ny hetahetan’ny tanora eny amin’ny manam-pahefana, ny tetikasa ho fampandrosoana ny firenena.

 »Kiosk » miisa 13, miparitaka amin’ny fokontany 41 marefo indrindra eto an-drenivohitra izay hiasan’ny tetikasa Tanomafy, no najoro nahafahan’ireo tanora tonga amin’izao. Tanora 12 000 no nisitraka fiofanana maimaimpoana momba ny fahaiza-miaina enti-miatrika ny sehatry ny asa. Tamin’ny alalan’ny fantina sy fifaninanana natao no nahafahana nifidy ireo tanora 126 masoivohon’ny filaminana eto Iarivo. Nahazo vatsy sy tohana fiofanana arakasa izy ireo taorian’izay nahafahany mangana sy manatanteraka ny vinam-piainany.

Hanomboka tsy ho ela araka izany ny fanentanana isa-tokantrano mikasika ny filaminana sy ny zon’olombelona izy ireo. Mitohy kosa ny fanomezana torolanana momba ny asa, eny amin’ireo « kiosk » 13, raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera sy ny fanabeazana ao amin’ny tetikasa Tanomafy, Razafindrainjatovo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny fandriampahalemana androany izany. Nozaraina mari-pankasitrahana ihany koa ireo tanora voafidy tamin’izany.

Articles similaires

Laisser un commentaire