Tanà-Masoandro: efa misokatra eny Ambohitrantenaina ny birao ifotony handray ireo olona voakasika ny taniny

  • 1 octobre 2021

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany voalohan’ny volana oktrobra tao amin’ny OTME fokontany Ambohitrantenaina ny birao Ifotony handray an-tanana ireo olona voakasiky ny tetikasa  Tanà-Masoandro.

Tokatrano 235 ao anatin’ny fokontany miisa 6 ( Fonenana, Fiantsonana, Ambohintratenaina, Morarano Nord, Ambohitsaratelo, Ankazondandy) ao Tsimahabeomby, kaominina Imeritsiatosika no voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro.

Olona teknisianina amin’ny sosialy sy fananan-tany no hisahana izany mba ahafahana mamaly ny fanontanian’ny mponina sy ho fanonerana ireo fananana voakasiky ny tetikasa. Hisy ny tantsoroka hoan’ny fambolena hoan’ny mponina any an-toerana izay iarahana amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Marihina fa 982 ha ny velan-tany hanorenana ny tetikasa ary an’ny fanjakana ny ampahany betsaka raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana.

Partagez :
Mahandry