Tale jeneralin’ny Jirama : roa ihany ny malagasy namaly ny tolotrasa

  • 30 novembre 2023

Azo heverina ny hamerenana indray ny tolotrasa izay nalefan’ny fanjakana teto an-toerana sy manerana an’izao tontolo izao amin’ny fitadiavana ny ho Tale jeneralin’ny orinasa Jirama tamin’ny volana jona hoy ny minisitry ny Angovo sy Akoranafo , Solo Andriamanampisoa androany 30 novambra. Raha ny vaovao voaray, 2 ihany ny Malagasy namaly an’ity tolotrasa ity  ary tsy tafiditra tanatin’ny sivana farany izy ireo. Vahiny no hita fa mendrika ny asa hatreto.

Miankina amin’ny maha maika na tsia ny fanendrena izany. Fantatra fa noho ny mbola tao anatin’ny vanimpotoanan’ny fifidianana an’i Madagasikara no naneken’ny Tahirim-bola iraisampirenena ny tsy fisian’ny mpitondra eo anivon’ny orinasa Jirama.

Manam-piheverena ny hamerina ny tolotrasa araka izany ny fanjakana ary maniry ny handraisan’ny Malagasy izay fantatra manam-pahaizana miparitaka eran’izao tontolo izao.  Tanjona amin’izany ny hanomezana laka ny Malagasy manampahaizana. Raha tena tsy misy izany dia tsy maintsy hisy ny fanendrena vahiny amin’ny toerana. « Manager de redressement » no tadiavina fa tsy voatery ho teknisianina.

Partagez :
Sissie Raveloson