Taksibe: 800 Ar ny saran-dalana manomboka ny 1 aogositra

  • 25 juillet 2023

Hiakatra 800 ariary ny saran-dalana amin’ny fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra amin’ny fiandohan’ny volana aogositra 2023 izao. Fivoriamben’ny mpitatitra natao ny 13 jolay teo no nanapahana io fanitsiana saran-dalana io.  Koperativa 46 mpikambana ao amin’ny “Union des Coopératives de Transport Urbain” (UCTU) no niara-nandray ny fanapahan-kevitra.

Mbola misokatra anefa ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitra isan-tokony, hoy ny filohan’ny UCTU.

Noho ny vesatra mianjady amin’ny mpitatitra no nahatonga ny fanitsiana, hoy ny UCTU. Eo ny fisondro-bidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana fiara; ny pitsopitsony eo amin’ny lafiny taratasy sy ara-panjakana; ny fitsirihana sy ny fiantohana. Eo koa ny haratsian’ny lalana sy fitohanan’ny fifamoivoizana, izay miteraka fahasimban’ny fiara sy fatiantoka.

Partagez :
Romuald